<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Ray o! Asehoinao FFPM245</title>
<lyrics>[V1]
 Ray ô ! asehoinao
 Aminay ny antranao,
 Raisonao ny zanakay
 Atsangana ho Anao.

[V2]
 Zanak'Andriamanitra ô !
 Mba ekeo ny hatakay,
 Trotrinao ny zanakay
 Taomy ho mpanomponao.

[V3]
 Ry Fanahy Masina ô !
 Mitoera aminay,
 Indro re ny zanakay
 Ampianaro, hazavao.

[V4]
 Ry Jehovah Izay Iray !
 Nefa Telo, dia ny Ray,
 Zanaka, Fanahy koa !
 Mba tahio ny zanakay.</lyrics>
<hymn_number>245</hymn_number>
<author>Christian Psalmist</author>
</song>